Fitaterana sy fivezivezena antanàn-dehibe: Fametrahana « marquage au sol »

administrateur 15 febroary 2018 Commentaires fermés
Fitaterana sy fivezivezena antanàn-dehibe: Fametrahana « marquage au sol »

Nitondra vahaolana tamin’ny alalan’ny fametrahana «Arrêt Bus Rapide » na fiantsonana haingana manoloana ny Gare Soarano ho an’ireo taksibe avy any Antanimena ambany sy Behoririka hihazo an’Analakely sy Petite Vitesse ny sampan-draharaha misahana ny fitaterana sy ny fifamezivezena an-dRenivohitra  avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo.Izao fanapahan-kevitra izao  no natao dia  mba ho fanalàna ny fahasahiranan’ ireo mpandeha taksibe izay mitondra entana mavesatra vao maraina, eo ihany koa ny fitsinjovana ireo mpandeha sasany satria dia mifanalavitra loatra ny elanelan’ny  « Arrêt Bus »  amin’ity toerana ity.

Araka ny nambaran’ny Tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Sampan-draharaha misahana ny Fitaterana sy ny Fifamezivezena an-dRenivohitra dia efa misy ny Polisy Monisipaly izay mandrindra sy manazatra ireo mpamily taksibe eny an-toerana sy ny  « marquage au sol » izay mampahafantatra izany.Raha toa ka tsy manajana ny lamina izay efa napetraka ireo mpamily dia handray fepetra ny Kaominina mba ho fisorohana ny fikatsoan’ny fiara.

CUA

Ankoatra izay dia efa nametrahana« marquage au sol » ihany koa ireo « arrêt bus » rehetra manerana ny fari-piadidian’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra ho fitsinjovana ny fitohanan’ny fifamoivozana.