Filankevitry ny tanànan’Antananarivo

administrateur 19 febroary 2018 Commentaires fermés
Filankevitry ny tanànan’Antananarivo

mivory tsy ara-potoana ho fanitsiana ny tetibolan’ny cua 2018

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany eo anivon’ny Filankevitra Monisipalin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), amin’izao taona 2018 izao.

CUA

 

Ny  Filohan’izany Filankevitry ny Tanàna izany ny kolonely Faustin Andriambahoaka no nanokatra ny fivoriana  . Resaka fanitsiana ny tetibola iasana amin’ity taona 2018 ity no votoatin’ny dinika, izay haharitra 3 andro. Tsiahivina fa efa vita ny tetibola 2018 ny CUA,  saingy nisy ny fanamarihana nataon’ny Prefet de Police,  ka izay no tsy maintsy hanaovana izao fivoriana tsy ara-potoana izao, ho fandaniana izany fanitsiana ny tetibolan’ny CUA izany. Anisan’ny ho voakasika ny momba ny atao hoe : droit de circulation  , ny momba ireo Pavillon vaovao , ny 10% ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny resaka OMAVET . Ankoatra izay dia nisy ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Mpanolontsainan’ny Tanàna, izay nangataka fanazavana momba ny isan’ny mpiasa eo anivon’ny CUA . Fantatra tamin’izany fa tsy nisy akory ny fampidirana mpiasa vaovao fa ny fandaminan-draharaha no natao mba hahazoana vokatra tsaratsara kokoa .