Fikaonandoha andiany faha 2 amin’ny vondrom-paritra hitsijaram-pahefana Carlton

administrateur 7 martsa 2018 Commentaires fermés
Fikaonandoha andiany faha 2 amin’ny vondrom-paritra hitsijaram-pahefana Carlton

Nanomboka ny Alatsinaniny 05 martsa 2018 hatramin’ny 07 Martsa 2018 ny fihaonamben’ny fikaonandoha andiany faha 2 eo amin’ny Vondrom-paritra hitsijarampahefana eo amin’ny  Malagasy sy ny frantsay izay tontosaina etsy amin’ny Carlton Anosy. Ny volana May 2016 ny andiany voalohany. Anisan’ny mandray anjara amin’izany ireo Fikambanan’ny Kaominina antanan-dehibe maro sy ireo fikambanan’ny Kaominina ambanivohitra, eo ihany koa ny tekinisianina isantsokajiny, ny fikambanan’ny Lehiben’ny Faritra, ny solontenam-panjakana ary indrindra ireo solontenan’ny Kaominina avy any Frantsa. Tafiditra ao anatin’ny lahadinaka ny fampivoarana ny toekarena, ny rano sy ny fahadiovana ary ny tanora sy ny fanatanjahantena.

Ny Solontenan’ny Fikambanan’ny Ben’ny Tanàna antanan-dehibe Lalao Ravalomanana dia nanome fisaorana sy fankasitrahana noho ny fahatongavan’ireo vahiny Frantsay hifampizara traikefa ary nanteriny ny mbola hivelaran’ny fiaraha miasa hatrany. Nivoitra koa fa ny olana eo amin’ny Kaominina andrenivohitra dia ny tsy fipetrahan’ny vondrombahoaka hitsijaram-pahefana noho ny fisian’ny sakana satria tsy manana ny fahalalahana ny Ben’ny tanàna eo amin’ny fitatanana eo koa ny fitsabahan’andraikitra ataon’ny fanjakana amin’ny Kaominina izay miteraka tsy fahatsapana fampandrosoana mivaingana. Fantatra fa haroso ho anisan’ny dinihana ao antin’ny fihaonana ireo olana ireo. Fantatra fa faritra 13 amin’ny 22 no efa misy fifandraisana na ilay antsoina hoe «  Jumelage » eo amin’ny Malagasy sy ny Frantsay ary antenaina ny hitaran’izany amin’ny faritra maro.