Fanesorana vato be nampidi-doza

administrateur 1 martsa 2018 Commentaires fermés
Fanesorana vato be nampidi-doza

fokontany ambatovinaky/ amparibe ambohidahy avaratr’ i mahamasina

Vato iray lehibe milanja 4 taonina izay ahiana hampidi-doza teny amin’ny Fokontany ambatovinaky sy Amparibe Ambohidahy Avaratr’i Mahamasina no nesorin’ny ekipan’ny Mpamonjy Voina avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny andron’ny Talata 01 Martsa 2018 tokony ho tamin’ny 7 ora maraina teo ho eo. Mpamonjy voina  miisa 24 no nampiasa ny traikefany sy niezaka niaro ny ain’ny mponina sy ny fananany tamin’ny fanatanterahana izany asany izany.

Tsara marihana  fa nisy ny fidinana ifotony teny an-toerana izay nataon’ireo manam-pahaizana avy amin’ireo sampan-draharaha misahana ny Fiomanana sy Fisorohona ny Loza Voajanahary sy ny sampana mpamonjy voina mialoha izao fanapaha-kevitra izao.

CUA

Nizotra am-pilaminana ny fanesorana ity vato be ity ary nitohy araka izany ihany koa ny fiainana andavan’andron’ny mponina teny an-toerana kanefa na dia izany aza dia mbola nanamafy ny fanentanana ireo mponina hatrany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mba samy ho mailo ary hampandre avy hatrany ny tompon’andraikitra na hiantso ny mpamonjy voina raha vatany vao misy ny tranga mampiahiahy toy izao.