mairie-antananarivo – Fandaminana ny tsena Soarano sy Behoririka

Fandaminana ny tsena Soarano sy Behoririka

administrateur 13 febroary 2018 Commentaires fermés
Fandaminana ny tsena Soarano sy Behoririka

Nanentanana ireo mpivarotra amoron-dalana mampiasa “mannequin” etsy Soarano mihazoan’ny Behoririrka iny ireo ekipa avy ao amin’ny boriboritany fahatelo izay notarihan’ny lefitra faharoa ny Delege, mba tsy hampiasa azy ireny ety ivelany intsony fa any anaty tsena sy tranombarotra manomboka izao.

Tsy vitan’izay ihany fa tonga nanaramaso ireo mpivarotra ny tompondraikitra amin’ny fandaminana rehetra izay efa niarahana nifampidinika tamin’izy ireo toy ny fanadiovana sy ny fanajana ny lalan’ny mpandeha tongotra sy ny fiara. Ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia manentana hatrany ny fanajàna sy fandaminana efa napetraka ho azy ireo.