mairie-antananarivo – Fandaminana ny tsena boriboritany fahatelo

Fandaminana ny tsena boriboritany fahatelo

administrateur 8 febroary 2018 Commentaires fermés
Fandaminana ny tsena boriboritany fahatelo

Nidina ifotony tetsy amin’ny Tsenan’ Andravoahangy ny Delege ny Boriboritany Fahatelo Andriamamonjisoa Rado sy ireo ekipany ary ny lehiben’ny tsena androany 08 febroary 2018 maraina nanentana ireo mpivarotra amoron-dalana hiditra amin’ny ara-dalana ao anatin’nytsena, satria efa misy toerana malalaka voatokana ho azy ireo ao anatin’ny tsena. Miisa200 latsaka ny toerana mbola malalaka eny amin’ny « étale » izay hoan’ny mpivarotra legioma. Namboarina ihany koa ny « pavé » na lalana miditra mankao an-tsena ka tokony tsy misy olana intsony.

Efa nisy ny naoty izay nomena azy ireo, ny tokony hiala ny eny amoron-dalana fa tsy maintsy miditra ao anatin’ny tsena avokoa efa ho 2 herinandro izay, hoy ny lehiben’ny tsena. Mbola mitohy rahampitso ny fandaminana ny tsena eo Andravohangy ary hihatra amin’izay ny sazy ho an’izay mbola minia mivarotra eny amoron-dalana.

Marihana ihany koa hoy ny lehiben’ny tsena Andravoahangy fa ny mpivarotra tantsaha dia mivarotra manomboka amin’ny telo ora maraina ka hatramin’ny 8ora maraina ihany.