Boriboritany fahadimy : Fiarahana misakafo

administrateur 23 febroary 2018 Commentaires fermés
Boriboritany fahadimy : Fiarahana misakafo

Nanatanteraka fampisakafoana ireo mpanadio lalana sy ekipa teknika ary ekipa mobile ny avy eo anivon’ny Boriboritany fahadimy ny 22 Febroary 2018.

Izao no natao dia ho fankasitrahana ny ezaka sy tsy fitandrona arerahana ataon’izy ireo amin’ny asa fanadiovana ny tanana sy fanalana ireo loto manentsina ny tatatra manerana ny Boriboritany fahadimy.

Marihana fa ezaka manokan’ ireo Tompon’andraikitra rehetra avy eo anivon’ ity Boriboritany ity no nahafana nanatanteraka izao sakafom- piraisana izao.