Boriboritany faha 6 : Lalao ara-panatanjahantena no anamarihana ny 8 martsa

administrateur 7 martsa 2018 Commentaires fermés
Boriboritany faha 6 : Lalao ara-panatanjahantena no anamarihana ny 8 martsa

Mihetsika avokoa ny boriboritany   manerana  ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA),  amin’ny fikarakaràna  ny fetin’ny vehivavy 8 martsa.  Raha ho an’ny boriboritany faha 6 manokana   dia lalao ara-panatanjahantena  no nanamarihana izany  toy ny basket-ball  sy  tsipy kanetibe, ka vehivavy renim-pianakaviana  ao  amin’ity  boriboritany  ity  no isan’ny mandray anjara mavitrika  amin’izany.

Ny ekipan’ny  Sacré- Coeur  Anosisoa  Ambohimanarina no nibata  ny fandresena  tamin’ny   lalao basket-ball , rehefa  nandavo  ny ekipan’ny Rossignol  tamin’ny isa  35 no ho  24  izy ireo . Ny fanolorana  ny loka ho an’ny mpandresy  dia  ny  10  martsa  ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely araka ny nambaran’ny delegen’ny boriboritany  faha 6  Fehizoro Andriamananjezika.  Nataonay  izao lalao ara-panatanjahantena  hoy izy  hampandraisana anjara ireo vehivavy  amin’izao andron’ny 8 martsa  izao araka  ny toromariky ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana.